LALAN’NY FAHENDRENA

OHABOLANA 28:1-14

Làlana roa hisafidianana. Taorian’ny fandinihana nataony dia nametraka safidy roa ny mpanoratra : ny lalan’ny ratsy fanahy sy ny lalan’ny tsara fanahy. Ny tsara fanahy dia ireo izay matahotra an’i Jehovah ka mitandrina ny didiny. Fa tsy mba toa izany kosa ny ratsy fanahy. Fomba fisaina mifanohitra amin’ny fiheverana mahazatra no hiainan’izy roa ireo.
Harena mampahantra (6, 8). Ny ratsy fanahy tsy mikatsaka afa-tsy harena kanefa tsy mitondra soa ho an’izay matimaty mitady azy fatratra ny harena. Tsy miankina amin’ny fananan’ny olona ny hahazoany fiadanana. Ny antoky ny fahatoniana dia ny manaraka ny lalàna, mihaino ny fahalalana sy fananarana, mandeha amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana. Ireo no tsiambaratelon’ny fahasambarana ary fantatry ny olona matahotra an’Andriamanitra izany.
Fiverenan-dalana mahatafita (9, 13, 14). Tsy tonga lafatra akory izay misafidy ny lalan’ny tsara fanahy. Raha tojo fahadisoana izy dia tsy menatra miova hevitra, tsy manafina ny fahotany:”Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo” (13) Tsy miziriziry ny olona vonon-kandroso sy vonon-kandresy fa mihaino am-panajana ny Tompo ary mahasahy miaiky heloka. Nefa na dia efa voasokajy ho isan’ny olon-dratsy aza dia afaka mibebaka. Avy aiza ny fanafahana? Ny ran’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia mahavita manadio tanteraka, ary manafaka mba tsy hiverenana intsony amin’ny fahotana sy ny faharatsiana. Efa fantatrao ve fa voalaza hoe:”Raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo?”(Jaona 8.36). Ary koa:” Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazo fijaliana” (Gal. 5.24)

Laisser un commentaire