EZEKIELA 10:1-21
Holevonina ny tanàna (1–8). Fahitana vaovao indray no naseho tamin’i Ezekiela. Niseho taminy indray ny Tompo (1). Mbola Ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy ihany no nomena andraikitra haka ny vain’afo handorana ny tanàna (2). Rehefa ringana ireo olon-dratsy tao Jerosalema dia miomana handevona ny tanàna amin’ny afo indray izao ny Tompo (2, 6, 7). Ao amin’ny Isaia 6 dia natao ho fanadiovana ny vain’afo fa eto dia nentin’ny Tompo handevonana kosa ny ratsy fanahy izany (Hebreo 12.29). Indrisy fa tanteraka tokoa izany tamin’ny taona 587 tal. Jesoa Kristy.
Nalan’ny Tompo tao an-tanàna ny voninahiny (9–22). Tsikelikely no namongoran’ny Tompo ny voninahiny niala tao Jerosalema. Nanomboka niala tao amin’ny kerobima –tao amin’ny toerana masina indrindra amin’ny tempoly– Izy aloha (9.3) dia nankeo amin’ny tonkonam-baravaran’ny trano (3–5). Efa eny amin’ny kianja ivelany no mamirapiratra ny voninahiny. Niakatra ambony tsy nitehaka tamin’ny tany intsony (18–19). Ary farany nifindra toerana mihitsy “teo an-tampon’ny tendrombohitra atsinanan’ny tanàna” (11.23). Miharihary eto ny hady lalina manasaraka ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny fahotan’ny olombelona. Rehefa manamafy fo sy mikiry biby amin’ny fitondrantenany adala ny olona, dia manapa-kevitra hihataka Andriamanitra ka avelany ho irery eo ny olona. Mampahatsiaro ny Tompo fa tsy azon’ny olona hahiboka ao amin’ny Tempoly Izy. Manapaka manerana ny tany manontolo Izy ary azony atao tsara ny miara-mitoetra amin’ireo babo any Babylona (11.16)
Vavaka: Tompo o, ampio izahay hahay hanome voninahitra marina sy hanamasina tokoa nyAnaranao na inona na inona mahazo anay!