IZAHO NO JEHOVAH

EZEKIELA 6:1-14

Fitsarana ho fandravana (1–7). Tonga tamin’i Ezekiela ny tenin’i Jehovah fa horavaravany ny toerana fanompoan-tsampin’ny Israely: ny fitoerana avo, ny tsangankazo, ny alitara (3, 4). Novelomin’ny Zanak’Israely indray mantsy ireny fanateran’ny Kananita fanatitra taloha ireny na dia efa noraran’ i Jehovah aza hoe: “Aza manao toy izany amin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo” (Deoteronomia 12.4). Mitana ny teny nomeny ny Tompo. Sao mbola misy fahotana niverenantsika indray ao amin’ny fiainantsika ao ka mbola fikirintsika?
Saino: afaka tamin’ny sampy sy ny fivavahana tamin’ny razana ny Kristianina malagasy kanefa tia izao tontolo izao na lasa manompo ny vola na ny teknolojia?

Hisy sisa ihany (8–10) notsimbin’ny Tompo tamin’ireo lasa babo. Olona vitsy kely narovany tany am-pahababoana ireo. Efa teny nampanantenainy ny hitsimbina ny sasany (8). Niaiky ny faharatsiany ireo vitsy an’isa ireo, “naharikoriko azy ny tenany” (9), ary niverina tamin’ny Tompo. Noho ny famindrampony no nahatonga ny Tompo nandray an’ireo. i Jesosy no santatr’ireo sisa notsimbinin’ny Ray ka handray tokoa izay rehetra manatona Azy (Jao. 6.37b).
Indrisy … (11–14). Roa ny fiantraikan’ny fitsaran’i Jehovah ny Israely: 1°) Vokatra hita miharihary; hasiany amin’ny areti-mandringana, mosary, sabatra ny taranak’Israely (11b). 2°) Vokatra tsy hita maso: tiany hahalala Azy ho hany Tompo ny Israely, miverimberina (in-62) ao amin’ny bokin’i Ezekiela ny hoe: “IZAHO NO JEHOVAH”. Izy no ilay Jesosy (Jehovah no Mpamonjy), “hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1.21). Mbola fotoana izao hiverenantsika amin’i Jesoa, izay ho avy indray ka hitsara ny velona sy ny maty.

Vavaka: Jesosy o, arovy aho mba tsy hanao antsirambina ny fampitandremana omen’ny teninao.

Laisser un commentaire