TORIO MANDRAKARIVA NY FAMONJENA AO AMIN’I JESOSY KRISTY

EZEKIELA 3:12-27

“Fa raha miteny aminao Aho dia hosokafako ny vavanao ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah …” (27a). Ny fanahin’i Jehovah no nanainga, nitondra, namonto ny fanahin’i Ezekiela tamin’izy hitondra ny Tenin’i Jehovah amin’ireo isiraely babo. Hoy i Jehovah taminy “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako ary avy amiko no hananaranao azy” (17). Mihainoa mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra na amin’ny alalan’ny toriteny na avy amin’ny fandalinana izany. Hano izany, izany hoe ivelomy tokoa amin’ny fiainanao manokana vao zarao ka ambarao amin’ny anirahana izany. Tsarovy anefa ny tsy handeha irery fa tena amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina hatrany. Manao ahoana ny fiainanao ny Tenin’Andriamanitra? Inona no hitan’ireo mpiray fianakaviana aminao mikasika ny fiainanao marina ny sitrapon’Andriamanitra? Tadidio fa ny ataontsika dia mikiakiaka lavitra noho izay ambarantsika.
“ … nefa hadiniko amin’ny tànanao ny rany … ” (18). Raha miteny amin’ny ratsy fanahy i Jehovah hoe ho faty tokoa ianao kanefa tsy mananatra azy i Ezekiela dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy ary hadinin’i Jehovah amin’i Ezekiela ny rany. Raha mananatra ny ratsy fanahy i Ezekiela, hoy i Jehovah, kanefa izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny làlany ratsy dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy fa ho voavonjin’i Ezekiela ny fanahiny. Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka mihasarotra ny fiainany, manao meloka dia ho faty amin’ny fahotany izy ary ny fahamarinana nataony dia tsy hotsarovana ary hadinin’i Jehovah amin’i Ezekiela ny rany. Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota i Ezekiela ka tsy manota izy dia ho velona izy ary voavonjin’i Ezekiela ny fanahiny. Adidintsika kristianina ny mitory mandrakariva ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka ary amin’ny fomba rehetra. Ireo itoriana kosa anefa dia manan-tsafidy hanaiky na handà izany, eny, hatramin’ny hankahala sy hanao anao ho fahavalony aza dia mety hataony fa adidin’ny kristianina hatrany ny mijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy sy mizara ny fitiavan’Andriamanitra.

Fampiharana: Iza no ho entinao am-bavaka sy hiadianao varotra amin’Andriamanitra ny hanokafan’Andriamanitra ny masom-panahiny ka handraisany ny famonjen’Andriamanitra? Aza mitsahatra fa mahereza hatrany mitory ny Filazantsara.

Laisser un commentaire