EZEKIELA 1:1-14
“… dia nisokatra ny lanitra …”(1) Isan’ireo babo tany Babylona i Ezekiela mpisorona no nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra izy. Miteny hatrany Jehovah Andriamanitra na aiza na aiza toerana misy antsika, ary na inona na inona zava-tsarotra lalovana. Inona no olana diavinao ankehitriny izay tena ilànao ny fitenenan’i Jehovah Andriamanitra mikasika izany? Matokia fa “sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana” (Matio 5.6) ary koa “sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra” (Matio 5.8)
“Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’aina efatra” (5) Nahita ireo zava-manan’aina, izay kerobima (Ezekiela 10.20), efatra i Ezekiela izay ny fijery azy dia toa ny endrik’olona, samy manana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy, nahitsy ny tongony, ny faladiany dia tahaka ny faladian’ny ombilahy kely, mamirapiratra toy ny volon’ny varahina manganohano, nisy tana’olona teo ambanin’ny elany, ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ny olona sy tarehin’ny liona amin’ny ankavanana sy tarehin’ny omby amin’ny ankavia ary tarehin’ny voromahery any aoriana. Nahita ny voninahitr’Andriamanitra, ny fahaizan’Andriamanitra, ny fiandrianany, ny fahari-pony, ny fitsaran’Andriamanitra, ny fahitsiany i Ezekiela.
Fanontaniana:Inona teo amin’ny fiainanao no nahitanao sy niainanao an’ireo toetran’Andriamanitra ireo?