EZEKIELA 5:1-17
Izao no lazain’i Jehovah Tompo mikasika an’i Jerosalema:
– nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina;
– nandoto ny fitoerany masina tamin’ny zava-dratsiny rehetra sy tamin’ny fahavetavetana rehetra;
Noho izany dia:
– Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ny firenena;
– hataon’i Jehovah aminy izay tsy mbola nataony sady tsy hataony tahaka izany intsony. Ny ray dia hihinana ny zanany ary ny zanaka hihinana ny rainy;
– hotsarain’i Jehovah ary aeliny ho amin’ny rivotra rehetra;
– hampiala ny masony i Jehovah ary tsy hiantra sy tsy hamindra fo;
– ny 1/3 dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary; ny 1/3 dia ho lavon’ny sabatra manodidina azy; ny 1/3 dia dia haelin’i Jehovah ho amin’ny rivotra rehetra ary hohenjehin’i Jehovah amin’ny sabatra
– hamparin’i Jehovah amin’ireo ny fahatezerany ka hanalany ny fony;
– hataon’i Jehovah lao sy fandatsa eny amin’ny firenena manodidina ireo eo imason’izay rehetra mandalo;
– hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin’ny jentilisa manodidina;
– halefan’i Jehovah ny mosary ho fandringanana; handroso ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra ary mihatra ny sabatra
“ … dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako” (13b). Tsy mba mandainga ary tsy azo vazivazina i Jehovah Andriamanitra. Izy koa anefa dia mamindra fo sy be fitiavana. Ahoana no maha-tanteraka an’izany? Ny valiny dia i Jesosy Kristy Tompo. Izy no efa maty noho ny fahotantsika nitondra ny fahatezeran’Andriamanitra. Izy koa dia fitiavana nanaiky ny hamonjy antsika sady tsy noterena.
Fisaorana : Endrey izany fitiavan’Andriamanitra antsika izany ka na ny Zanany Lahitokana aza dia nafoiny ho antsika ary izay mino Azy dia manana ny fiainana mandrakizay. Mino an’i Jesosy Kristy va ianao?