SALAMO 146:1-10
Mbola manana aina (1). Fiantsoana hidera ny Tompo eto no hita amin’ny fiandohana. Inona no antony ? Mahatsapa eto ny mpanao salamo fa matoa mbola misy fofonaina izy, mbola isan’ny velona dia manainga ny any anatiny rehetra hidera an’i Jehovah izany.
Fanontaniana: Ianao koa ve manao tahaka ny mpanoratra, rehefa iny tafafoha maraina iny ?
Raha tsapanao fa tombon’andro avy Aminy ny fahavelomanao dia ataovy feno fiderana Azy ny tontolo andronao. Aza mangina fa asandrato ny feonao hidera Azy.
Azo antoka ny famonjeny (3-4). Izay lehibe na manam-pahefana tokoa dia mety afaka manampy olona iray ao anaty olana kanefa voafetra ny heriny satria olombelona ihany ireny. Tsy afaka tena hiantoka ny famonjena ny olona fa ny Tompo irery ihany. Koa raha tojo zava-manahirana dia ny Tompo ilana vonjy fa tsy olona.
Miahy ny antsipiriam-piainan’ny olona Izy(5-10): Fitiavana tokoa Andriamanitra, tsy miangatra Izy fa tia ny sarangan’olona rehetra. Tsy manao tombo sy hala fa mikarakara sy miahy ny noana, ny mpifatotra, ny jamba, ny kamboty … (7-9). Izany indrindra no nahatonga ny mpanao salamo milaza eto fa ny fahasambarana dia ny fananana an’Andriamanitra , Ilay fitiavana ary ny fametrahana ny fanantenana eo Aminy izay mifehy izao rehetra izao.