ANDRIAMANITRA LEHIBE I JEHOVAH

SALAMO 144:1-15

Manome ny fahaiza-manao (1-2). Rehefa miatrika ny fahavalo i Davida dia nahita fahombiazana mazava ary asehony ao anatin’izao vavaka izao fa resy lahatra izy ny amin’izay mety fahaizana ananany, eny fa na dia mpanjaka aza izy,fa avy amin’Andriamanitra (mampianatra ny tanako hamely sy ny rantsan-tanako hiady) izany (1). Nanetsika azy hidera an’Ilay Tompon’ny fahaizany izany satria tsapany ny fahalebiazany.
Mifehy ny zavatra rehetra (3-10). Asehon’ny mpanao salamo eto fa Tsitoha Andriamanitra, lehibe Izy, afaka baikoiny ny zava-boaary rehetra mba hanehoany ny fahalebiazany (5-6). Tsy takatry ny saintsika amin’ny maha-olombelona ny herin’Andriamanitra. Izany indrindra no nahatonga an’i Davida niaiky ny maha tsinotsinona azy kanefa ahian’Andriamanitra sady karakarainy. Izany tokoa Andriamanitra, manana ny fiandrianany kanefa miahy ny fiainan’ny olony.
Fampaherezana: “Iza no tahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mipetraka any amin’ny avo, nefa miondrika mijery ny any an-danitra sy ny ety an-tany”? Salamo 113.5-6
Mamonjy ary manome fandresena ny olony (11-15). Ao anatin’izao vavaka izao, izay fiderana sy fanandratana ny Tompo, dia hita ihany koa ny fangatahana famonjena ary indrindra ny vavaka feno fanantenana ny amin’ny fandresena omen’Andriamanitra (12-14). Azo antoka tokoa ny famonjena omen’ny Tompo: raha miatrika ady dia ny fianteherana Aminy no fandresena ho antsika. Fivavahana feno finoana tahaka izao no tsara alain-tahaka.
Fanamby:Andao hametraka ny fanantenantsika eo amin’ny Tompo ilay loharanon’ny fandresentsika.

Laisser un commentaire