OHABOLANA 26:1-16
Ny amin’ny hadalana (1-12). Maneho amintsika eto ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny toetoetry ny olona izay sokajiana hoe “adala”:
-Tsy mandray izay voninahitra tandrify azy (1, 8)
-Misy teny tsy voahevitra sy tsy amim-pisainana eo am-bavany (2)
-Tsy laitra hahitsy sy hanarina fa manana ny fiheverany manokana (3)
-Tsy mendrika hametrahana fitokisana amin’ny asa anankiray (6, 10)
-Tsy voahevitra izay lazainy (7-9)
-Mamerina fahadisoana izay efa hita ny faharatsiany (11)
Maro ireo toetra izay hita eto izay tena hita ny maharatsy azy , ary tsy mampandroso velively fa manimba ny tena ary manimba ny hafa ihany koa.
Fanontaniana: Inona eo amin’ny fiainako no mbola ahitana taratra ireo toetra ratsy izay sokajiana fa toetry ny adala?
Fotoana tokony hihavaozana izao.
Antsomafy: “Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo” Efesiana 5.17.
Ny amin’ny hakamoana (13-16). Asehon’ny mpanoratra indray ny amin’ny toetra ananan’ny malaina:
-Malaina hanao asa, mitady ala-olana foana (13)
-Malaina hihetsika ary tsy manana tanjona mazava (14)
-Na ny zavatra manan-danja indrindra sy tsotra eo amin’ny fiainana aza dia feno hakamoana hanao izany (15).
Ny fahalainana tokoa dia toetra ratsy, mandrava zavatra be dia be ary indrindra tsy hahatratrarana ny tanjona.
Vavaka: Tompo ô! Ampio aho mba tsy hanao adaladala fa ho feno fahendrena amin’ny zavatra rehetra. Amena