OHABOLANA 25: 1-14
Andriamanitra manafin-javatra (1-3). Toetran’Andriamanitra tsy mahazatra antsika izany, Izy irery no mahalala satria misy fotoana mbola hafenina antsika ny zavatra iray, ary misy fotoana efa azo ambara amintsika izany. Misy fahamarinany ny manafin-javatra ary tsy fahotana izany.”An’i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavintsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity” (Deoteronomia 29.28).
Aza manandra-tena (4-7). “Esory ny taim-bolafotsy …” (4), ny lanjan’ny volafotsy sy ny volamena dia miankina amin’ny fahadiovany, tsy mifangaro amin’ny zavatra hafa. Nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olona, saingy rehefa miaina ety an-tany mifampikasoka amin’ny fahalotoana samihafa dia mila ny fanadiovana amin’ny ràn’i Jesosy mba hiverina amin’ ny maha-olona sarobidy azy. “Esory ny ratsy fanahy…” (5), raha izany no manodidina ny mpanjaka na ny mpitondra fanjakana dia tsy hitoetra amin’ny fahamarinana ary tsy maharitra ny fitondrana, satria ny olona manodidina dia manome dindo (influence). Aza mitady izay voninahitra na mba ho hita sy ho fantatry ny olona fa fakam-panahy mandavo izany (6). Izy Andriamanitra no manandratra ny olony: “koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tanà-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro” (1 Petera 5.6).
Ny rahona tsy misy orana (8-14). Ny mpamboly no tena manara-maso ny rahona, ka rehefa matevina sy mainty izany dia misy ny fanantenana fa ho avy ny orana. Sady mila hafanana no mila hamandoana ny voly. Feno olona ny fiangonana satria maina sy mangetana ny fanahy mitady orana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay velona sy mahery.
Fanontaniana : Izaho ve azon’ny hafa antenaina hitondra oram-pitahiana ho an’ny fanahiny sa ilay rahona tsy misy orana?