VAVAKA SY TSO-DRANO

HEBREO 13:18-25

Mivavaha ho anay (18-19). Tsy mora ny andraikitra amin’ny maha-mpiandry ondry: mitory, mampianatra, mitaiza ary indrindra hanana fiainana faka tahaka amin’ny lafin’ny rehetra. Inoana fa efa mivavaka ho an’ny tenany sy ny asa hampanaovin’ny Tompo azy izy ireny, saingy sarobidy ny vavaka ataon’ny hafa, tena manampy tosika. Raha mivavaka ho an’ny hafa aho, dia miditra an-tsehatra mampiasa ny fahefana ara-panahy hiadiana eo anatrehan’ny Tompo ho an’ny tombon-tsoa ara-panahin’iny olona iray na maro iny (eo amin’ny fianakaviana, ny fiangonana, ny toeram-piasana, ny fiaraha-monina …).
Votoatin’ny vavaka (20-21). Filazana ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra no anombohany izany. Izy manome fiainam-baovao feno fiadanana amin’ny alalan’ny ràn’i Kristy Jesosy, Mpiandry ondry Lehibe. Amin’io anarana io no nangatahiny, izany hoe i Jesosy no manao sonia ny vavaka. Hoy indrindra Izy: “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia ataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka.” (Jaona 14.13). Ny anto-bavaka dia ny hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izay tsara sy ankasitrahana, eny na dia sarotra aza izany! Dia hoy aho isanandro hoe “aoka ny sitraponao no atao fa tsy ny ahy”.
Famporisihana vitsivitsy (22-25). Mamarana ny hafatra ny mpanoratra mba hahazaka ny teny fananarana, misy fampitandremana samihafa izay voarakitra any amin’ny taratasy nosoratana. Manao ahoana ny fankatoavako ny teny fananarana vakiko ao amin’ny Baiboly? “Ho aminareo anie ny fahasoavana” (25) izany hoe na tsy mendrika aza aho dia hanehoan’Andriamanitra ny fitiavany tsy misy fepetra. Teneno mandrakariva amin’ny olona manodidina anao izany, fa tsara ny manao izany!

Laisser un commentaire