HEBREO 12:12-29
Ireo dingan’ny fiainam-pahamasinana (12-17). 1°) manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo…(13) : hisafidy ny lalana marina sy mahitsy nosoritan’i Jesosy aho, tsy mivilivily na alaim-panahy amin’ny lalana toa malama saingy mivarina any an-kady. “Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao, dia ho voalamina ny alehanao rehetra; aza mivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia … (Ohabolana 4.26-27). 2°) miezaha mitady fihavanana sy fahamasinana (14): fiombonana amin’ny olona rehetra, na inona na inona ny fahalemen’ny hafa. Ezaka tsy vitan’ny herin’ny tena fa ny herin’Andriamanitra amin’ny fifandraisako Aminy isanandro no ahazoako mihavana amin’ny olona rehetra. Ny fiainan’ny mpino dia miova hatrany, manakaiky ny fahamasinan’i Jesosy izay tanterahin’ny Fanahy miasa ao anaty. 3°) Ary mitandrema tsara … (15): tsy hamela faka mangidy hitsimoka, izany hoe toetra tsy araka an’Andriamanitra. Ohatra i Esao nivarotra ny fizokiany ahazoana tombon-tsoa ara-nofo vetivety. Faka mangidy ihany koa ny tsy fahamendrehana, ny fahavetavetana eo amin’ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy na fijangajangana mihitsy (16).
Ireo tendrombohitra roa (18-24). Tamin’ny fanekena taloha dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy ny lalàna tao tendrombohitr’i Sinay. Ny Zanak’Israely tsy mba afaka niakatra teo amin’io tendrombohitra io fa miandry ny Tompo ery lavidavitra fandrao hiaran’ny fahafatesana (18-21; Eksodosy 19.9-25). Ny fanekena vaovao kosa dia mahazo manatona malalaka an’i Jesoa handray ny fanavotana noho ny rany izay nalatsany. Izay miaina izany no miakatra ny tendrombohitra Ziona dia Jerosalema vaovao ho vantanina rahatrizay (22-24): miaraka amin’ny anjely tsy omby alinalina, ny mpino mbola velona ka miakatra avy hatrany, ireo efa nodimandry ka “efa natao tanteraka” na ireo izay nibebaka.
Fandinihan-tena : ny fanoloran-tenako ve mba fanompoana sitrak’Andriamanitra tokoa (28-29)?