HEBREO 11:32-40
Finoana miasa (32-35). Ireo mpitarika teo amin’ny Jiosy ao amin’ny Testamenta taloha izay nahavita asa lehibe ho an’Andriamanitra noho ny finoany no ambara eto: fandresena, fanasitranana, fananganana tsy takatry ny saina (32-34). Lehilahy sy vehivavy, toa ny olona tsotra, kanefa niaina zava-mahagaga noho ny fahatokiany sy fiankinany tamin’Andriamanitra. Izany koa no mahafaly antsika rehefa miaina amin’ny finoana ny herin’ny Fanahy Masina miasa ao anatin’ny fahalementsika isika, ka mahavita zavatra mihoatra izay heverintsika: “ Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena..” (2 Korintiana 12.9).
Mahery fo ao anaty fizahan-toetra (36-38). Rehefa mety fahoriana sy fijaliana dia nianjady tamin’ireo olon’ny finoana ireo (36-37). Naharitra hatramin’ny farany anefa izy ireo. Ny finoana mantsy dia tsy maintsy sedraina mba hampahatanjaka azy (Jakoba 1.2-4). Tsy mendrika eo imason’izao tontolo izao ireo mahery fo amin’ny finoana ireo (38), fa mendrika kosa eo imason’Andriamanitra, satria voasoratra hoe: “Raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao ahazoana sitraka Aminy” (Hebreo 11.6a). Manao ahoana kosa aho eo imason’Andriamanitra?
Hatao tanteraka (39-40). Misy vokany lehibe ny fiaretana amin’ny finoana, fa na dia tsy nandray ilay teny fikasana ny amin’ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy aza ireo mahery fon’ny Testamenta taloha ireo, dia hatsangana miaraka amintsika izay mino an’i Kristy kosa izy ka handova ilay tsara lavitra efa namboariny ho antsika (40).
Fampieritreretana: Mbola mitohy ny lisitr’ireo mahery fon’ny finoana ireo mandra-piverin’i Jesosy. Mba anisany ve aho? Inona no hotsarovana mikasika ny finoako rahatrizay tsy eto an-tany intsony aho?