FAMELAN-KELOKA TANTERAKA

HEBREO 10:1-18

Ram-biby tsy mahaisotra ota (1-10). Fankatoavana lalàna tamin’ny finoana no nanaovan’ny Jiosy fanatitra alatsa-dra isan-taona hahazoany famelan-keloka isan-taona. Mariky ny tsy fahatanterahan’ilay fanatitra izany famerimberenana izany, voatsiahy mandrakariva ilay fahotana. Ny ilain’ny olona dia ny famelan-keloka sy fanadiovana tanteraka ny fahotany (2, 3) hahazoany ny fiainana mandrakizay (2 Petera 3.9). Jesosy Kristy irery ihany no fahatanterahan’izany. Tonga Jesoa hanao ny sitrapon’Andriamanitra, tonga nofo ho fanatitra indray mandeha monja hasolo ireo fombam-pivavahana tsy tanteraka rehetra (5-10). « VITA », izay no teniny farany teo amin’ny hazo fijaliana (Jaona 19.30), tanteraka ny asam-pamonjena ho fanadiovana antsika (Hebreo 10.10). Hoy Paoly: « fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy » (Romana 5.8). Izay rehetra mino Azy sy miaiky ny fahotany dia voavela heloka (1 Jaona 1.9, Romana 8.34).
Fisoronana roa samihafa (11-14). Manao fisoronana matetika sy mitsangana isan’andro ireo mpisorona jiosy, asa tsy mety tapitra. Fanatitra indray mandeha kosa ny an’i Kristy, mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, mariky ny fitsaharana sy ny fahatanterahana, miandry ny fampisehoana ny fandreseny. Ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty no mahatanteraka antsika sy manadio antsika mandrakizay.
Fanambaran’ny Fanahy Masina (15-18). Izy no manazava ny Tenin’Andriamanitra, miara-milaza amintsika fa tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony izay fahotana sy heloka efa nifonana tao amin’i Jesosy Kristy sy nialana. Tena sarobidy izany sady azo antoka. Mino izany ve ianao ?
Tandremo! Satana mpiampanga no mampahatsiahy lalandava ireo fahotana efa nibebahana sy nialana.
Tadidio! “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”, hoy ny Tompo (17).

Laisser un commentaire