SORONA TOKANA IHANY

HEBREO 9:23-28

Ny asam-pamonjen’i Jesosy Kristy. Vita indray mandeha monja tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny rany io asam-pamonjena nataon’i Jesosy Kristy io. Tsy niverimberina tahaka ny nataon’ny Mpisorona (25). Natao ho faty indray mandeha ny olombelona ary tahaka izany koa Jesosy Kristy izay olona niara-niaina tamin’ny olombelona. Velona tety an-tany Izy ary maty indray mandeha teo amin’ny hazofijaliana hisolo heloka antsika mpanota rehetra (27).
Ho avy indray. Tsy maty tahaka ny olombelona rehetra anefa i Jesosy Kristy fa hateloana ihany no nitoerany tao am-pasana dia nitsangana Izy ary niverina any amin’Andriamanitra Rainy izay nihaviany ihany. Kanefa mbola ho avy indray Izy amin’ny faran’izao tontolo izao ary amin’io fiverenany io no hitondrany famonjena mandrakizay hoan’izay miandry Azy (28).
Fahamarinana: Sorona tokana ihany no nentin’i Jesosy Kristy ary ny tenany no fanatitra tamin’izany, fa ampy hanadio ny tsy fahamarinana rehetra ho an’izay manatona Azy izany sorona izany. Sady lalan-tokana ihany koa hahazoana ny fiainana mandrakizay izay efa homaniny ho an’izay rehetra mandray ny asam-panavotana nataony. Mitsotra amiko sy aminao ny tanan’i Jesosy handray antsika ho ao aminy mandrakizay.
Fanasana : Ndeha hanatsotra ny tanantsika Aminy. Efa mitsangana eo am-baravaran’ny fontsika mandrakariva Izy mandondona, raha mamoha ny varavaran’ny fontsika isika dia hiditra Izy ka hiara-monina amintsika. “Indro efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona, raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy amiko” (Apokalypsy 3.20), ary “izay rehetra mandray Azy dia tonga zanany” (Jaona 1.12). Inoana fa fanirinao lalina ny ho tonga Zanak’Andriamanitra. Raiso Izy dia ho tanteraka ny fanirinao.

Laisser un commentaire