FIAINANA TANTERAKA SY FENO

HEBREO 10:19-25

Didim-pitiavana no didy lehibe indrindra sy ihantonan’ny lalàna rehetra: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao… Tiava ny namanao…” (Matio 22.37-40). Ao amin’i Kristy irery ihany no fahatanterahan’izany (Hebreo 10.7). Manome toromarika ny mpanoratra ny amin’ny fomba iainana izany:
Fifandraisana amin’Andriamanitra, fanatonana Azy (19-23). Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy Kristy dia triatra ilay efitra lamba tao amin’ny tempoly (Marka 15.38). Io ilay “lalana vaovao sady velona” (Hebreo 10.19, 20) izay ahafahantsika mihaona mivantana amin’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Tombontsoa lehibe ho antsika ankehitriny izany ka araraoty ny misitraka azy. Manatòna Azy amin’ny : – « fo marina », ao amin’ny tenin’Andriamanitra no itarafantsika izany eo amin’ny fiainantsika, – « fahatokiana be avy amin’ny finoana”, tsy misalasala na be ahiahy, – fo voadio amin’ny fieritreretana ratsy », ny ràn’i Kristy no manadio tanteraka ny fontsika sy manafaka antsika amin’ny fieritreretana ratsy rehetra (22, Jaona 8.36), – fihazonana mafy ny fanekena sy ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (23), fiorenana lalim-paka ao amin’Andriamanitra sy ny Teniny.
Fifandraisan’ny samy mpino (24-25). “Mihantomotra ny andro” hiverenan’i Kristy (25b). Arakaraky ny maha-antomotra an’io andro io no hitomboan’ny hamafin’ny ady ara-panahy sy ny fanenjehana (Matio 24.3-14). Koa mamporisika antsika ny mpanoratra mba hihazona mafy ny finoana, hifampahery amin’ny fitiavana an’i Kristy, hifananatra sy hifampandroso amin’ny asa tsara. Izany no antom-pisian’ny fiarahana miangona. Hoy i Paoly : “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy” (Romana 15.2).
Fahamarinana: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” (Matio 24.13)

Laisser un commentaire