HEBREO 10:1-18 Ram-biby tsy mahaisotra ota (1-10). Fankatoavana lalàna tamin’ny finoana no nanaovan’ny Jiosy fanatitra alatsa-dra isan-taona hahazoany famelan-keloka isan-taona. Mariky ny tsy fahatanterahan’ilay fanatitra izany famerimberenana izany, voatsiahy mandrakariva ilay fahotana. Ny ilain’ny olona dia ny famelan-keloka sy fanadiovana…