NY FANEKENA VOALOHANY

HEBREO 9:1-10

Tabernakely natao tanana. Ny fomban’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny fanekena taloha araka ny torolalana nomen’Andriamanitra an’i Mosesy no aseho eto ary tanterahin’ny Mpisorona sy ny Mpisoronabe. Izany anefa dia tandindon’ilay fanompoana izay ataon’i Jesosy Kristy any an-danitra.
Efitra masina sy efitra masina indrindra. Isan’andro ny Mpisorona no miditra ao amin’ny efitra masina mitondra ny fanatitra fa indray mandeha isan-taona kosa ny Mpisoronabe no miditra ao amin’ny efitra masina indrindra ary mitondra ny ram-biby ho famelana ny fahotana dia ny fahotan’ny tenany sy ny fahotan’ny olona rehetra mitondra fanatitra ho azy. Jesosy Kristy kosa any an-danitra, Izy no Mpisoronabe sady sorona mitondra ny ran’ny tenany ho fanatitra indray mandeha monja, tsy miverimberina, ho famelan-keloka ho an’izay rehetra mandray ny famonjeny.
Fahamarinana. Na dia natao isan’andro aza ny fanatitra sy ny fanompoam-pivavahana nitondrana ny ram-biby tao amin’ny fanekena voalohany dia nahafaka ny fahotana ihany tokoa izany fa tsy nahadio ny fieritreretana kosa (9). Fa ny ran’i Jesosy kosa izay natolotra indray mandeha monja dia mahadio ny maha izy azy ny olona manontolo ka mahatanteraka ilay voalaza hoe:”Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo”. (2 Korintiana 5.17)
Hafatra: Ny fombam-pivavahana dia vonjy maika sy vonjy tavanandro ihany fa ny fandraisana ny famonjena nataon’i Jesosy Kristy kosa no vahaolana tokana sy maharitra mandrakizay, manafaka amin’ny loto sy ny tsy fahamarinana rehetra. “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1.9)

Laisser un commentaire