MATIO 28:11-20
Ireo vehivavy. I Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray rehefa avy nahita ny zava-niseho teo amin’ny fasana nilevenan’i Jesoa Kristy dia nirahiny hilaza amin’ny Mpianatra mba ho any Galilia fa any Izy no hihaona amin’izy ireo. Sady faly izy roa vavy no nangitakitaka raha nahita ny Tompo ary maika sy dodona hilaza amin’ny mpianatra izao vaovao mahafaly izao fa velona ny Tompo ary nitsangana tamin’ny maty Izy. Ireo miaramila mpiambina ny fasana kosa natahotra sy nivadi-po teo am-pahitana ny zava-nitranga ka lasa nihazakazaka ihany koa hilaza ny vaovao amin’ny lohan’ny Mpisorona. Tsy tahaka ny vehivavy hilaza vaovao mahafaly anefa fa hilaza loza kosa.
Iraka mifanohitra. Rehefa tafahaona tamin’i Jesoa Kristy tany Galilia ny Mpianatra dia naniraka azy ireo Izy mba handeha any amin’ny firenena rehetra hitory ny filazantsara sy hanao izay hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra tahaka azy ireo. Nirahina izy ireo mba hizara vaovao mahafaly maimaimpoana. Fa ireo miaramila mpiambina kosa nirahin’ny lohan’ny Mpisorona sy ny Loholona hanaparitaka lainga (13) rehefa avy notambazana vola (12).
Jesoa Kristy Tompon’ny fahefana rehetra. Nandresy ny fasana, nitsangana tamin’ny maty, miomana hiakatra ho any an-danitra, maniraka ny mpianany hitory ny filazantsara amin’ny firenena rehetra satria efa nomen’Andriamanitra Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany (18).
Baiko: “Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra…(19)
Fampaherezana: Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (20). Manohy izany iraka izany isika ankehitriny koa mahereza fa momba antsika ihany koa ny Tompo.