AMBARAO NY VONINAHITR’I KRISTY

1 TANTARA 16:23-34

Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny (23-24). Raha nananatra ireo zanak’Israely Davida teo aloha, izao kosa dia mitaona azy ireo izy hitodika amin’ireo firenena maro. Sahy hanambara ny fiainana ao amin’i Jehovah (27). Hanome voninahitra Azy (29) ary hanambara fa ny fanekana izay sitrapony irery ihany no hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao (30; Jeremia 10:7).
Asa lehibe sy mahagaga. Tsy mandao antsika Andriamanitra. Tsy misy azo hampitahaina Aminy (25; Isaia 46:5). Nahafoy ny tsara indrindra Izy dia ny Lahitokany ho avotra ho antsika (Lioka 19:10). Ilay Marina nanavotra antsika tamin’ny vokatry ny fahotana (32-33; Asa 17:31).
Epistily velona isika. Hanatanteraka ny iraka nomen’i Jesosy (2 Korintiana 3.2-3): « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, » (Matio 28:19). Hanambara fa ao Aminy irery ihany no hisiam-piainana.
Aoka tsy hiseho eo anatrehany tsy hitondra fanatitra (29). Tsy ondry aman’osy intsony anefa:« Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. » (Romana 12:1).
Fitsarana maharitra mandrakizay (30-33). Ny fanjakan’i Kristy dia tsy amin’izao fiainana izao ihany. Ho tanteraka izany amin’ny fiverenany am-boninahitra hitsara ny tany rehetra (31-34; Isaia 11.1-5). Na ny voaary aza dia miandrandra ny fanafahana amin’ny fahalovana (Romana 8.19-22).
Fanasana. Aoka hifaly amin’ny fanjakany isika. Ny fanjakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany no tiany hambarantsika any amin’ny jentilisa (34; Salamo 89:28): « Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina. » (Romana 14.17).

Laisser un commentaire