2 Korintiana 4:8-9

« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty. »

Zavatra manjo ny kristiana ireo voalaza ireo. Voageja, very hevitra, enjehina sy potraka toy ny olon-kafa koa izy. Tsy afaka amin’ny olona ny zavatra manjo, raha mbola eto amin’ ity fiainana ity. Kivy angamba isika fa toa tsy mandroso ny fahamasinantsika na mantamanta ny asa fanompoantsika an’ Andriamanitra. Kivy isika noho ny zava-tsarotra manjo, kivy noho ny fanaratsian’ny hafa antsika.

Tsy tena mamoy fo na oviana na oviana isika. Misy zavatra tsy azon’ olona esorina amintsika moa, ka mahatonga antsika tsy hamoy fo, izany dia ny fahasoavan’i Jesosy Kristy. Azo levonina ny zavatra ao anatintsika, ny momba antsika, araka ny maha-olona mpanota antsika, sady tena ilaina aza izany. Fa raha miala ao amiko ny toetrako maha-mpanota ahy, dia vao izay no miditra ao amiko ny herin’ Andriamanitra, ka tonga mpanankarena sy mahery ara-panahy noho ny taloha aho. Ka dia Kristy irery no ao amiko.

Koa dia tsy kivy aho, fa mahery am-panahy satria Kristy no heriko. Noho izany dia tsy mamoy fo aho na oviana na oviana.

Laisser un commentaire