« Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy. »
Eny Tompo ô! Miondrika eo anatrehanao aho. Mamelà ahy noho ny fitarainako sy ny tsi-faharetam-poko.
Tanteraka ny asanao. Izay rehetra tsy mahomby amin’ny fiainako dia avy amiko ihany no fotony. Marina izay rehetra ataonao. Tsara dia tsara indrindra ny làlana itarihanao ahy hombako.
Tompo ô! Aoka hianao no hanjaka amiko, fa tsy ny sitrapoko. Ny sitrapon’ny tenako dia mahatonga loza ho ahy. Na dia mihevitra ny tenako ho mahalala izay làlana tsara indrindra hombako aza aho dia tariho ihany; na tsy mazoto manaraka ny làlanao aza aho dia tariho ihany. Aza manontany ahy izay tiako fa aoka hianao no hifidy ho ahy.
Vatolampy ny anaranao ka dia matoky Anao aho. Mafy orina tsy mihozongozona toy ny tendrombohitra ny Fitiavanao ahy; tsy mamela ahy ho sahirana na oviana na oviana Hianao. Marina sy hendry Hianao. Marina tokoa ny hoe: Tanteraka ny asanao.