Filipiana 3:13

« Manadino izay zavatra aoriana. »

Teny soa izany. Fa mahazo manadino hianao; ny fahotanao dia hadinoina noho ny Ràn’i Jesosy Kristy.

Koa na dia tsaroanao aza ny fahotanao vita taloha dia tokony hisaotra an’ Andriamanitra hianao, satria voavela izany. Efa nohadinoin’ Andriamanitra izany, ka dia azonao atao koa ny manadino azy.

Io teny ambony io anefa dia sady teny soa no fananarana masina. Ny hoe: Tandremo sao mitana amin’ny mangingina ny zavatra efa naharihary taloha hoe hilaozana. Aoka ho afaka tokoa ao am-ponao ny toetra sy fomba rehetra nataonao hoe: hialana. Sa amin’ny ivelany ihany ve no nanapahanao hevitra hialanao amin’ny asa sy hevitra tamana amin’ny ratsy?

Henoy ny hoe: Hadinoy izay zavatra aoriana. Raha tsy izany dia tsy hahatratra ny fetra hianao.

Laisser un commentaire