2 TANTARA 14:1-17
Fanetren-tena. Tsapan’i Davida fa ny fitiavan’i Jehovah ny Israely vahoakany no mampitoetra azy ho mpanjaka (2; Salamo 21.1-5). Niely nanerana ireo firenena manodidina ny fahombiazany sy ny lazany (1, 16-17). Nahatsiaro bitika izy: « Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. » (Eksodosy 15:3). Toa an’i Davida, dia ho hery sy ampingantsika anie Jehovah: « Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. » (Salamo 3.3)
Fomba fiady roa samihafa. a) Naleon’i Hirama mpanjakan’i Tyro nitandro fihavanana tamin’i Davida (1); b) Tsy voalohany ny adin’i Davida sy ireo Filistina (1 Samoela 17.45). Nihantsy ady taminy indray eto ireo raha nandre fa tonga mpanjaka izy (8-9). Nankasitrahan’i Jehovah teo imason’Israely sy ny Filistina ny fiandrianan’i Davida.
Fankatoavana. “Ary Davida nanontany tamin’Andriamanitra” (10,13). Tsy ny traikefa amin’ny mahapitari-tafika azy no nandehanany. Andriamanitra no miady ho azy ary manolotra azy ny fandresena (11). Ny fahombiazany dia avy amin’ny fankatoavana. Narahiny avokoa izay toromarika nomen’i Jehovah azy, eny hatramin’ny antsipiriany aza (10, 14-15b). Ny antoka dia Andriamanitra mialoha antsika (15a).
Baiko : « Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ny tany ianareo. » (Levitikosy 25:18).
Fampanantenana tsy miova. « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolotsaina anao Aho. » (Salamo 32.8).
Andriamanitra Tokana (12). Nodoran’i Davida ireo sampin’ny Filistina. Fantany fa fandrika ho an’Israely ireo (Salamo 106.36). Iray ihany no tompoiny dia Jehovah. Hoy izy: « Halako izay mivavaka amin’ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako» (Salamo 31:6).