“Ny Fanahy Masina no mampianatra ahy fa tsy mila boky na mpampianatra hafa!”
Misy fiangonana manana io fisainana io, fa tsy ilaina intsony ny fianarana Soratra Masina amin’olombelona, eny fa na dia ao amin’ny FLM aza rehefa mafana fo loatra sy tsy nahazo fampianarana ampy.
Maninona no ilaina ny mianatra sy ampianarina na dia manana ny Fanahy Masina aza?
Voalohany aloha dia tsara ho fantatsika fa Andriamanitra hatrany amin’ny Testamenta Taloha dia efa Mpampianatra ny Israely. Na dia ireo mpanompo tena teo akaikiny sy niresahany mivantana aza dia voalaza fa nianatra taminy foana ary tsy navelany nanao zavatra raha tsy efa nahazo ny toromarika avy taminy aloha. Ny teny ilazana ny Soratra Masina Jiosy dia ny hoe Torâ ary io teny io dia midika hoe fampianarana, toromarika na toro-làlana fa tsy hoe lalàna araka ny mahazatra ny maro akory. Na dia ireo mpianany 12 aza dia nampianarin’i Jesosy nandritra ny 3 taona farafahakeliny satria maro ireo zavatra nampianariny azy ireo amin’ny olombelona manana saina sy afaka mandinika azy ireo.
Noho izany dia tsy mitombina akory ny filazana fa tsy mila mianatra na mamaky boky izay manana ny Fanahy Masina fa ireny zavatra ianarantsika ireny indrindra no ampiasainy mba hahatonga ny fampianarana sy toriteny ataontsika hahery sy marina ary madio ho famonjena izay mihaino azy.
Maninona no mila manao heviteny ny mpitory teny?
- Satria ilaina ny mahafantatra mikasika ny zava-miseho:
Oh: Indray mandeha dia nisy an’ity mpitory teny iray nafana fo izay nilaza fa tsy mora ny manatonaan’i Jesosy satria tsy maintsy mila “barre à pince” sy “marteau” ary tanjaka. Inona no antony hoy ianao? Ilay teksta milaza ilay lehilahy mararin’ny paralisisa no notoriny ka voalaza fa nampidinina avy teny amin’ny tafotrano izy. Izay nianatra mikasika ny trano Jiosy anefa dia hahafantatra avy hatranyfa tsy tafo fanitso tahaka izay misy aty amintsika ny azy fa sady “plat” no vita amin’ny tany sy hazo ka matetika dia misy hirika na azo esorina ka azo idinana ho ao an-trano fa tsy ilàna barre à pince akory (Mar 2:4)
- Mahadiso hevitra olona ny tsy fahaizana mikasika ny fiteny:
Oh: nambaran’ilay mpahay haiady malaza iray fa efa voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha ny gasy (=Malagasy). Ny nahatonga izany dia izay voalaza ao amin’ny 2 Sam 23:30: “Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ny lohasahandriak’i Gasy”. Rehefa jerena amin’ny “texte originale” anefa izany dia hita fa, (ga’sh) no voalaza ao fa saingy nadikan’ny mpandika teny ho gasy. Ga’sh dia tendrombohitra tany Palestina fahizay fa tsy misy ifandraisany amin’ny Madagasikara velively.
- Ilaina ny mahafantatra ny jeografia sy momba ny tanàna voalaza ao amin’ny Baiboly:
Oh: Apo 3:16: “Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako hianao”. Izay mahafantatra mikasika ireo tanàna roa voalaza ao amin’ny perikopa io dia hahazo tombony lehibe amin’ny fitoriana sy fanazavana io teksta io. Laodikia dia tanàna malaza noho ny fisian’ny orinasa maro ka nanan-karena. Nanana olana anefa izy satria tsy mba nanana loharano nampiasaina. Teo akaikiny nefa dia nisy tanàna roa dia i Hierapolisy izay nanana loharano mafana nampiasaina tamin’ny fitsaboana. Noho izany dia tsy maintsy nitarika rano avy tany Hierapolisy izy ireo nefa noho ny halavitry ny toerana dia efa matimaty ilay rano vao tonga tany Laodikia. Ary satria loharano mafana izy io dia manana tsiro masirasira mampaloiloy sy mampite handoa.
Azonao amin’izay maninona i Jesosy no niteny ireo teny ireo. Tsy hoe mangatsiaka ara-panahy akory ny kristiana tao Laodikia fa tonga tahaka ilay rano. Sady tsy mafana mahasitrana no tsy mamy mahafaka hetaheta fa mampandoa.
Mila miasa ny Fiangonana!
Shalom.
Nosoratan’i Pastora Olivier Randrianjaka