Didy Folo

DIDY I : “AZA MANANA ANDRIAMANI-KAFA FA IZAHO IHANY” (EKS 20: 3)

Heviny, araka ny fampianaran’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia ary hatoky an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra isika”.

-oOo-

DIDY II: “AZA MANONONA FOANA NY ANARAN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRAO FA HATAON’I JEHOVAH HO MANAN-TSINY TOKOA IZAY MANONONA FOANA NY ANARANY” (EKS 20: 7).

Heviny araka ny fampianaran’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hianiana na hanozona na hanao anoano (blagues) na handainga na hamitaka amin’ny anarany, fa hiantso Azy amin’ny fahoriana rehetra ka hivavaka sy hidera ary hisaotra”.

-oOo-

DIDY III: “MAHATSIAROVA NY ANDRO SABATA HANAMASINA AZY” (EKS 20: 8)

Heviny araka ny fampianaran’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hanamavo ny teniny fa hanamasina azy ary hazoto hihaino sy hianatra azy”.

-oOo-

DIDY IV: “MANAJA NY RAINAO SY NY RENINAO MBA HAHITA SOA IANAO SY HO MARO ANDRO AMBONIN’NY TANY” (EKS 20: 12).

Heviny, araka ny fampianaran’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanamavo na hahasosotra Raiamandreny na izay manam-pahefana amintsika fa hanome voninahitra azy ka hankatoa sy hanaja ary ho tia azy”.

-oOo-

DIDY V: “AZA MAMONO OLONA” (EKS 20: 13)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hanimba ny tenan’ny namantsika na hanao izay hampahory azy fa hanampy sy hamonjy azy amin’ny fahoriana rehetra”

-oOo-

DIDY VI: “AZA MIJANGAJANGA” (EKS 20: 14)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka mba ho maotina sy hadio fitondrantena fa tsy hiteny ratsy na hanao vetaveta akory ary ny mpivady hifankatia sy hifanaja”.

-oOo-

DIDY VII: “AZA MANGALATRA” (EKS 20: 15)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy haka ny vola amam-pananan’ny namantsika, ary tsy hifetsy izany amin’ny fivarotana sandoka, na amin’ny fitaka hafa, fa kosa hanampy azy hiaro ny fananany sy hampandroso ny fivelomany”.

-oOo-

DIDY VIII: “AZA MANENDRIKENDRIKA NY NAMANAO” (EKS 20: 16)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hanoso-dratsy ny namantsika na hanala baraka azy, na hifosa azy fa hanala tsiny azy kosa sy hilaza soa azy ka tsy halaky hanameloka azy”.

-oOo-

DIDY IX: “AZA MITSIRIRITRA NY TRANON’NY NAMANAO” (EKS 20: 17A)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hanao fitaka na hafetsena hahazoana ny lova na fananan’ny namantsika, ary tsy haka izany na dia toa manan-drariny aza isika fa kosa hanampy azy hahatanany tsara izay ananany”

-oOo-

DIDY X: “AZA MITSIRIRITRA NY VADIN’NY NAMANAO, NA NY ANKIZILAHINY NA NY ANKIZIVAVINY NA NY OMBINY NA NY BORIKINY (APONDRANY) NA IZAY METY HO AN’NY NAMANAO AKORY AZA” (EKS 20: 17B)

Heviny araka an’i Lotera: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika ka tsy hitady hahazo ny vadin’ny namantsika, na ny mpanampy azy sy ny biby fiompiny (fananany) ary tsy hampiala izany aminy na amin-kery na amin’ny fitaka fa hanao izay zakantsika mba hampitoetra azy ho mahatoky sy tanteraka amin’ny adidiny amin’ny vady aman-janany sy ny tokantranony”

-oOo-

(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)

Laisser un commentaire