Mba hahafahantsika mahafantatra ny fahamarinana dia andao hojerentsika ny Genesisy 1:27 : “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; LAHY sy VAVY no namoronany azy”.
Miainga amin’io andinin-tSoratra Masina io dia afaka mino marimarina isika fa nozarain’Andriamanitra ho karazany roa miavaka tsara ny olombelona dia ny LAHY sy ny VAVY (Fr: IL et ELLE, Eng: HE and SHE). Ary nahafaly indrindra an’Andriamanitra izany ka nanambarany hoe: “Indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:31).
Koa noho izany, isika tsirairay avy dia tsy maintsy manana sy mitondra izay toe-batana efa noharian’Andriamanitra ho antsika. Ny lehilahy dia tsy afaka hanao ny tenany na hanova ny tenany ho vehivavy, ary tahaka izany koa ny vehivavy dia tsy afaka hanao ny tenany na hanova ny tenany ho lehilahy; tsy ananantsika sady tsy nomena antsika izany fahefana izany.
Fa isika tsirairay avy dia tahaka izay efa naharian’Andriamanitra antsika ihany: ny lehilahy dia lehilahy ary ny vehivavy dia vehivavy. Ary koa sitrak’Andriamanitra indrindra raha homem-boninahitra ny asan-dratsan-tanany izay tsara indrindra amin’ny maha asa famoronan’Andriamanitra izany fa tsy sanatria halaimbaraka na ho tsinontsinoavina.
Ny lehilahy dia tsy hanao tsinontsinona na hanaraby ny vehivavy na ny vatantenany, ary tahaka izany koa ny vehivavy amin’ny lehilahy. Fa kosa samy hanome voninahitra ny endrika sy ny vatantenan’ny tsirairay amin’ny maha asam-paharian’Andriamanitra sady tsara izany ka nahafaly an’Izy Andriamanitra tenany.
*** Bibliographie : Luther, M. (1999, c1962). Vol. 45: Luther’s works, vol. 45 : The Christian in Society II (J. J. Pelikan, H. C. Oswald & H. T. Lehmann, Ed.). Luther’s Works . Philadelphia: Fortress Press. 17-18
(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)