Ny ROSE-n’i Martin Luther: Io “rose”-n’i Lotera io dia maneho ny maha-izy azy, ny –TOMBOKASE-n’ny Fiangonana Loterana eran-tany sy ny fampianaran’ny TEOLOJIANY.
Izay no ho fintinina eto amin’ity fanolorana ny hevitr’ity “rose” –n’i Lotera ity. Ho zaraiko valo (8) izany fanazavana izany, araka izay ahitana ny sary, toy izao:
1. Tamin’ny taona 1519 no nampisehoan’i Martin Luther an’ity sary ity voalohany. Izany no nataony dia, tombokase napetrany tamin’ireo Boky Teolojika marobe sy ny taratasy betsaka ihany koa, nirakitra ny fampianarany, hiarovana amin’ny mpisandoka sy ny mpanao hosoka, eo anivon’ny famokarana literatiora samihafa. Nanomboka ny taon-jato faha 19 hatramin’izao iainantsika izao anefa, vao natao hifankafantaran’ny Loterana maneran-tany ity “rose” ity.
2. Hita eo amin’io sary “rose” io: ny Hazo Fijaliana miloko mainty; ny fo menamena, ny “rose” miloko fotsy sy ny raviny maintso; ny manga volon-danitra ary ny faribolana mivolom-bolamena.
3. Ny Hazo Fijaliana mainty dia maneho ny fijalian’i Jesosy Kristy, tamin’IZY namonjy antsika. Eo afovoan’ny sary no misy azy. Io no “ivon’ny Famonjena” an’izao tontolo izao. Mino isika fa, maty teo amin’ny Hazo Fijaliana tokoa ny Tompo ka nitsangana tamin’ny maty ihany koa (tsy misy sary mijaly intsony), namonjy antsika mpanota sy nanamarina fa voavonjy isika!
4. Ny “Fo” miloko mena kosa, dia ny fon’izay mino AZY; novelomin’ny famonjena vita teo amin’ny Hazo Fijaliana ka nandray ny Fitiavany mba hahaizan’izay mandray ny Fitiavany koa mitia ny hafa tahaka ny nitiavan’i Jesosy antsika.
5. Ny “Rose” fotsy mivelatra dia mampiseho fifaliana sy fiadanana. Avy amin’Andriamanitra ny “Finoana” izay anomezany antsika ny Fifaliana, ny Fampiononana ary ny Fiadanam-po.
6. Ny Ravina maintso no anehoany ny fahaveloman’ny Fanahy Masina monina ao anatin’ny mino. Natao somary nandray ny endriky ny “lelafo” ny sarin’ireo ravina ireo ary miloko volamena ihany koa indraindray; eo anelanelan’ny felana dimy (5) –n’ny “rose” miloko fotsy izy ireo. (Marihiko fa, tsy dia hita loatra tany amboalohany ireo ravina miloko volamena ireo) Ny Afon’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta voalohany,no ambaran’izany! Manazava ny fon’ny mino ny Fanahy Masina ka mampahery sy mampijoro azy ho vavolombelona eto am-pamakivakiana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao.
7. Ny manga volon-danitra kosa no anehoana ny “Lanitra”; manambara ny fifalian’ny olona mino sy santatry ny fiainana vaovao iainana sahady ny fiainana mandrakizay mitohy ary tsy hanana fahataperany hatrany an-danitra.
8. Ny boribory volamena kosa, dia maneho ny mandrakizay ao amin’Andriamanitra.Ny volamena dia “métal précieux”, mafy sy sarobidy. Maneho ny fiainana maharitra tsy mety levona fa maharitra mandrakizay izany ary ny fahamasinan’ny “Tanàna Volamena” dia Jerosalema vaovao tsy nataon-tanana any an-danitra.
Miainga avy amin’ity “Rose” an’i Luther ity, ny taona 1530 àry, dia nanao taratasy famintinana ny fampianarany i Martin Luther tamin’io taratasy nosoratany io, fa ny TEOLOJIA LOTERANA dia maneho ny TEOLOJIAN’NY HAZO-FIJALIANA (ilay La Croix miloko mainty) ao anatin’ny fo. Lazainy fa, io no mialoha lalana ny mino amin’ny fandraisana ny FAMONJENA! Io no mampahatsiaro sy andraisana ny FINOANA an’i Jesosy voahombo teo amin’ny Hazo Fijaliana hamonjena ny mpanota; ary izay mino an’izany amin’ny fony tokoa no hovonjena. Mivelatra manodidina ny fo ireo felana “rose” (5), hilazana fa ny “Finoana” no andraisana FIFALIANA-FIONONANA-FIADANANA avy amin’Andriamanitra.
Ny Loko Manga volon-danitra no fanambanin’ny “rose”, izay maneho fa ny fiafalian’ny fanahy miaina ao amin’ny finoana ny famonjena dia efa santatry ny fiainan-tsambatra sahady iainana ny fiainana mandrakizay mbola ho avy.
Ny faribolana volamena dia maneho fa, ny fiainana mandrakizay dia Andriamanitra: nanomboka tao amin’Andriamanitra izany fiainana mandrakizay izany ary hifarana ao Aminy mandrakizay koa; ao no hiafaran’ny fiainantsika. Sarobidy ny volamena, (raha vidina lafo ny 1 grama); SAROBIDY lavitra mihoatra noho izany ny HARENA AO AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY izay miandry ny olona voavonjy any an-danitra.
Ho Voninahitra’Andriamanitra Irery Ihany! Misaotra tompoko!
Pastora Jacques Euloge Randimbison