NY TOERAN’NY RAY AMAN-DRENY

OHABOLANA 26:16-27

Mamarana ny andiany faharoa sady farany amin’ireo andiana ohabolana nataon’i Solomona ny boky eto. Ary tsikaritra fa ny lohahevitra nanombohany azy tany am-boalohany indrindra no indro raisiny indray eto am-pamaranana: “ ny anjara toerana sarobidy sy saro-padin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Faizo ny zanakao. Rehefa tsy mahavita ny andraikiny ireo ray aman-dreny amin’ny fanitsiana sy fanabeazana ao anivon’ny ankohonana (17) dia tonga ho isan’ ireo mpampitombo ny faharatsiana eny anivon’ny fiaraha-monina ny zanany (16). Zava-tsarotra ho azy ireo anefa ny hanatontosa izany andraikitra makadiry izany raha tsy misy ny fahitana (18) dia ny tenin’Andriamanitra izany, izay fanilo sy fanazavana naposak’Andriamanitra ary ny fitandremana azy dia misy valiny lehibe (Salamo19.11). Eny fa na dia ny mpanompo aza dia mba manana ny fomba fananarana manandrify azy mba ahatongavany koa amin’ny fankatoavana (19).
Miatrika ny fiaraha-monina. Ny fifehezana ny fahatezerana, ny fanetren-tena ary ny tsy firaisana amin’ny mpanao ratsy dia fijoroana vavolombelona. Toetra tsara entintsika miatrika ny fiaraha-monina (19-24). Mankahala ny marina hatrany ny ratsy, fa ny fahatahorana an’i Jehovah no miaro antsika tsy ho solafaka fa tsy ny filàna sitraka amin’ny olona manapaka tsy akory (25).
Saintsaino: “ Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.” (18).

Laisser un commentaire