MATIO 23:29-39
Ny Fariseo sy ny Mpanoradalàna dia nantsoin’ny Tompo koa hoe bibilava (33), taranaky ny menarana, noho izy ireo mihatsaravelatsihy. Nambarany fa zanaky ny mpamono ny Mpaminany ary mpitora-bato izay irak’Andriamanitra. Izy ireo dia toa hita mikarakara ny fasan’ireo mpaminany nisy namono ary nihevitra ny tenany tsy ho isan’izay mpanenjika ny marina (29-30) nefa efa fantatry ny Tompo izay efa hataon’izy ireo sahady Aminy dia ny hamonoany Azy eo amin’ny hazo fijaliana (33). Hohelohina any amin’ny afobe no hiafaran’izy ireo ary tsy ho afa-mandositra amin’izany. Mbola hanody azy ireo hoy Jesosy ny rà marina rehetra izay nalatsaka tambonin’ny tany (35, 36).
Fanenjehana Kristiana (34). Efa naminany ny loza hanjo ireo mpianany aty aoriana koa Jesosy ny amin’izay ho fanenjehana ny Kristiana sy ireo izay mitazona ny finoany ka mitory ny filazantsara marin’i Jesosy Kristy. Vonona ny ho faty ho an’i Kristy ve ianao raha misy izany fanenjehana izany eto amintsika? Efa rentsika amin’ny vaovao any ivelany any fa maro ny Kristiana kapohina sy gadraina, eny vonoina ho faty mihitsy aza noho ny fanarahany an’i Kristy. Maro ny fiangonana no efa nodorana, ao ny Pasitera enjehina… Inona no anton’izany? Satria tsy zakan’ny olona ny filazana ny marina izay mampiharihary ny fahotany.
Miorena tsara. Fotoana izao hiorenana tsara amin’ny finoana izao, mbola miandry antsika hatrany Jesosy (37). Ny faniriany dia ny hanangona ny zanany sy hiahy azy tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambany elany.
Fampanantenana: Tian’i Jesosy ianao, koa miverena aminy fa ho karakarainy sy harovany.