EZEKIELA 18:1-18
Safidy sy ny vokany. Nomen’Andriamanitra antsika Olombelona ny lalàna mba hifampifehezana, nefa indrindra koa hitsarana antsika. Karazana tranga mety ho hita amin’olombelona sy ny taranany no velabelarina eto :
– (5-9) : Ny Olona marina sy mahitsy ka mahafehy ireo lalàna rehetra voatanisa dia ho velona tokoa ;
Raha ny marina dia tsy nisy nahatanteraka ireo Didin’Andriamanitra ireo isika, manondro ny Didy folo amin’ny ankapobeny izy ireo, marina izany, tsy marina isika fa nohamarinina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ;
– (10-13) : Tranga faharoa, ny Rainy marina nefa ny Zanany tsy vanona, na tsy nahatanteraka ny iray amin’ireo lalàna dia hatao maty ilay Zanany. Eto dia sarihana ny saintsika mba hahay haka modely ireo Ray Aman-dReny mahitsy sy marina, ohatra velona nomen’ny Tompo antsika ireo ka tokony ho tahafina ;
– (14-18) : Tranga fahatelo, Ray Mpanota, fa ilay Zanaka kosa namehy ny tenany hanao ny marina, noho izany ny Rainy no ho faty, fa ilay Zanany kosa ho velona. Aoka ho taranaka modely isika.
Aiza amin’ireo ny mahakasika antsika sy ny Zanatsika? Ho faty sa ho velona mandrakizay ?
Tenin’Andriamanitra manitsy. Ny Fanahy izay manota no ho faty (4). Eto dia manitsy sy manaisotra izay fihevitra sy fanao diso izay nipetraka teo amin’ny Zanak’Israely ny Tenin’Andriamanitra (2 Timoty 3.16).
Tompon’ andraikitra. Fahafahana nomen’ Andriamanitra ny olombelona irery ihany ny fananana safidy. Mametraka ny olona tsirairay ho tompon’andraikitra feno 100% ny amin’ ny safidy ataony izany. Ny amin’izay nataonao no hijoroanao eo anoloan’ny Tompo fa tsy ny amin’ izay nataon’ny hafa taminao.