AOKA TSY HO MPIHATSARAVELATSIHY

MATIO 23:1-15

Izay lehibe aminareo no aoka hanompo (1-3). I Jesosy dia manambara amin’ny vahoaka sy ny mpianatra mba hanaraka tsara izay rehetra lazain’ny Fariseo sy ny Mpanoradalàna. Satria izy ireo no voatendry hampianatra ny lalàn’i Mosesy. Nandrara kosa nefa Izy mba tsy hanao ny fanaony noho izy ireo mpitari-bato vilam-bava. Tsy manao izay lazainy izy fa manavesatra ny olona indray aza.(5-7). Ny Fariseo dia tia misehoseho ivelany, tia mipetraka eny amin’ny fitoerana eny aloha ary te ho hajain’ny olona eny an-dalambe (8-11). Mampianatra ny vahoaka Jesosy mba tsy ho tia ny hantsoina hoe ray na mpampianatra, na koa hoe mpitarika satria, IZY Kristy ihany no Mpitarika. Mila mitandrina araka izany isika tsy ho tia hiavaka amin’ny olona loatra ka hifikitra amin’ny toeram-boninahitra omen’ny olona antsika.
Lozan’izay manakana ny fidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (13-14). Tsara ho fantatsika mpanara-dia an’i Jesosy fa ny tena zava-dehibe dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra (Jaona15.6) ary tsy maintsy mametraka an’Andriamanitra ho loha-laharana sy ho tia manompo ny hafa ka hanetry tena. Aoka ary isika tsy ho isan’ny olona ho fatra-mpandalina ny lalàna fotsiny sy mitarika ny olona an-jambany amin’ ny fombafombam-pivavahana ka sady tsy miditra amin’ny fanjakan’ ny lanitra no mibahana ny olona tsy hiditra, fa mba ho mpitari-dalana mitaona ny olona ho ao amin’i Jesosy Kristy kosa.


Matio 7.21 : “Tsy izay manao amiko hoe Tompoko Tompoko no hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra”. Samia ary mandini-tena.
Tsianjery: “fa izay manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra”.(Matio 23.12)

Laisser un commentaire