Tari-dalana

« Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;

fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’andriamanitra. » Jakoba 1:19-20

Ny fampianaran’i Jakoba rahalahin’ny Tompo dia ahatsapana fa tena Leader na mpitarika izy. Tsy ny fisokavam-bava tsy misy farany no iheverana ny tena ho leader fa ny fahaizana mihaino ny ambaran’ny hafa. Ny fanirian’Andriamanitra @ izay avoakan’ny vavantsika dia ho teny fitiavana, teny mampahery, teny mitondra fiainana ho an’ ny manodidina, fa tsy sanatria teny misendaotra mitarika fifanolanana na mitondra fahafatesana ho an’ny hafa.

Fantaro fa na mpitarika aza ianao any amin’izay toerana misy anao dia ianao no tena mpanompo. Aza maniry hipetraka eo @ fitoeran’Andriamanitra ka ho alaim-panahy hanevateva na hanambany na hanamavo ny hafa, fa avelao IZY Tompo no hanandratra anao @ fotoana izay tiany.

Ao ambadiky ny fahatezeran’ny olona dia fahotana, fa raha Andriamanitra kosa no tezitra aminao dia fantaro fa famindram-po sy fitiavana no ao ambadika.

Anio ary, aza mandeha @ fahatezerana, ary aza maika hiteny fa manetre tena ambany tanamaherin’Andriamanitra ka tiava mihaino sy mandinika mba hahatanteraka ny marina eo imasony.

Mahereza ary @ fahalemem-panahy fa tsy faharesena izany, izay no tena maha leader anao.

Ny Tompo anie hanafy hery anao @ anjara fanompoana rehetra. Izy no ilay efa nandresy ny fanandratan-tena t@ alalan’ny fietreny. Efa nomeny anao koa izany fandresena izany. Amen!

Laisser un commentaire