Ny fampianaran’i Martin Lotera ny amin’Andriamanitra
Talohan’ny nahitan’i Lotera ny fahazavana tao amin’ny Soratra Masina dia Andriamanitra mahatahotra, sarotra hatonina, mampihorohoro ny amin’ny fahaverezana ao amin’ny helo sy ny afo fandiovana, izany no Andriamanitra fantany. Noho ny fahazavan’ny Filazantsara tao am-pony anefa dia tsapany fa Andriamanitra dia Andriamanitra te hifandray amitsika mandrakariva. Izany indrindra no mahatonga azy hilaza ao amin’ny foto-pianarana lehibe fa
didian’Andriamanitra isika hangataka Aminy satria Andriamanitra Raintsika Izy. Izany dia maneho indrindra ny fitiavan’Andriamanitra antsika hoy i Lotera ka ny takiana amintsika dia ny hankalaza ny anarany Masina, ny hiantso Azy amin’ny loza rehetra sy ny hangataka Aminy… Amin’ny alalan’izany didy izany dia ambarany mazava fa tsy te hampiala na hampandositra antsika Izy, na dia mpanota aza isika. Fa izay tiany kosa dia ny mitaona antsika hanetritena ao anatrehany ka hitaraina amin’izany alahelo sy fahatrantsika izany sy hangataka fanampiana sy fahasoavana Aminy.
Izany anefa dia tsy manafoana velively ny maha Andriamanitra Masina an’Andrimananitra. Andriamanitra avo sy manerinerina Izy nefa miondrika mitsinjo ny olony noho ny fahasoavany. Lazain’i Lotera ihany koa fa sady Andriamanitra miafina « Deus absconditus » no Andriamanitra manambara tena « Deus revelatus » Andriamanitra. Miafina Andriamanitra satria misarona mandrakariva ny fahafantarana Azy. Ao amin’ny teniny sy ny sakramentany indrindra no ahafantarantsika Azy hoy i Lotera fa raha ivelan’ireo no itadiavantsika hahita Azy dia ho potika sy rava noho ny fiandrianan’Andriamanitra isika. Noho izany dia tsy azo hatonina ity fiandrianan’Andriamanitra ity satria mahatahotra, mamono ary manapotika sy mandevona. Ary dia nahazo an’i Lotera toy ny varatra latsaka izany fihorohoroana eo anatrehan’ny Masina indrindra izany.
Ny Andriamanitr’i Lotera Izay an’i Mosesy ihany koa dia Andriamanitra Izay monina any amin’ny rahon’ny oram-baratra, ary mitaingina ny elatry ny rivotra mahery. Ka raha manatoka ny lohany Izy dia mihovitrovitra ny tany, ary ny olon-drehetra eo anoloany dia tahaka ny rano indray mitete ao anatin’ny koveta. Izy no Andriamanitra, ny fiandrianany sy ny hery rehetra ary ny fahefana rehetra tsy azo dinihina, mampitora-kovitra, mandrava ary mandoro ao anatin’ny fahatezerany.
Tsy Andriamanitra miafina ao amin’ny fahamasinany ihany anefa Andriamanitra fa Andriamanitra manambara ny tenany amin’ny olona koa. Ary dia amin’ny alalan’ny fanambaratenan’Andriamanitra ity ihany no ahafahan’ny olona mahalala Azy sy manatona Azy koa. Manambara tena amin’ny alalan’ny Teny Andriamanitra, dia Ilay Teny efa tao Aminy hatramin’ny taloha indrindra, Ilay Teny izay nahariana izao tontolo izao, ary indrindra Ilay Teny tonga nofo ka niara-nonina tamitsika dia Jesosy Kristy izany.
(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)