Ny Olombelona

Ny fampianaran’i Martin Lotera ny amin’ny olombelona

Raha milaza ny amin’ny olombelona indray i Lotera dia soritany mazava tsara fa ny olombelona dia noharina araka ny endrik’Andriamanitra. Koa talohan’ny nidiran’ny fahotana dia tsara sy madio ary tsy nisy fahotanana izy. Ka na ny sainy na ny sitrapony dia marina sy nahitsy avokoa. Raha milaza ny amin’ny fahatsaran’ny olona talohan’ny fahalavoana sy ny nahanoharina araka ny endrik’Andriamanitra azy i Lotera dia manambara fa ny olombelona dia noharina tahaka ny endrik’Andriamanitra, ary izany endrik’Andriamanitra tao amin’ny olona izany dia ny fiavahany sy ny fahatsarany ary ny fahadiovany ka tsy ahitana pentimpentin’ny fahotana na ao amin’ny sainy na ao amin’ny sitrapony.

 Ny toe-tsainy dia nadio tanteraka, ny fitadidiany dia tsara indrindra ary ny sitrapony dia marina sy nahitsy.

Taorian’ny fahalavoana anefa dia simba noho ny fahotana ny olona. Hatramin’ny nahalavoan’i Adama dia teraka nanam-pahotana ny olona rehetra, teraka araka ny fomban’olombelona, izany hoe: tsy manana tahotra marina an’Andriamanitra na fahatokiana Azy, fa feno fanirian-dratsy; ary izany aretina sy faharatsiana nolovana izany dia tena ota tokoa, izay mahameloka sy mitondra ny olona ho amin’ny fahafatesana mandrakizay raha tsy ateraka indray amin’ny alalan’ny batisa sy ny Fanahy Masina, araka izay voalaza ao amin’ny Konfesiona Aogostana.

Araka izany dia voafatotry ny ota ny olona amin’ny maha taranak’i Adama lavo azy. Tsy misy hain’ny olombelona arak’izany raha tsy ny hanohitra sy handositra an’Andriamanitra. Ary raha apetraka eo alohan’ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana mba hisafidianany dia tsy hahay ny hifidy ny fiainana na oviana na oviana izy satria efa voageja ao anatin’ny fahafatesana. Izany indrindra no anoheran’i Lotera ny fampianaran’i Erasme izay milaza fa mbola manana sitrapo afaka ny olombelona. Asehon’i Lotera ho setrin’izany fa voafatotra ny sitrapon’ny olombelona.

Noho izany ary dia mila fitarihana sy famonjena avy ivelany ny olombelona vao afaka hiala tao amin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana mandrakizay ka hahita sy handray ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay.

 

(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)

Laisser un commentaire