NY FAMPIANARAN’I MARTIN LOTERA NY AMIN’NY FAMONJENA
Asehon’i Lotera ho ivon’ny famonjena ny asam-pamonjena lehibe sady tokana nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Asan’Andriamanitra ivelan’ny olona izany fa natao ho an’ny olona kosa na « extra nos, pronobis ». Andriamanitra hetsehin’ny fitiavany no nanolotra ny Zanany Lahitokana ho Mpamonjy izao tontolo izao.
Ary dia vokatr’izany asam-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany no anamarinana ny olona mba haha voavonjy azy. Tsy hery ananan’ny olona, na ny asa tsara izay ataony, no ahazoany ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, fa Kristy no anamarinana azy maimaimpoana amin’ny finoana, raha matoky ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famelankeloka amin’ny alalan’i Kristy izy, Izay maty nisolo antsika ho fanavotana noho ny fahotantsika. Izany finoana izany no isain’Andriamanitra ho fahamarinana eo anatrehany, araka izay voasoratra ao amin’ny konfesiona Aogostana.
Io asan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana io hoy Lotera dia toy ny fanomezana fahafaham-po an’Andriamanitra. Tsy afaka hamela fotsiny ny heloky ny mpanota Andriamanitra raha tsy tanteraka ny fahamarinana. Ka dia tao amin’i Jesosy no nanatanterahany izany. Endrika roa no nisehoan’ny fanatanterahan’i Jesosy ny fahamarinan’Andriamanitra izany. Voalohany dia nanatanteraka antsakany sy andavany ny lalan’Andriamanitra nandritra ny fiainany manontolo Izy. Tsy izany ihany anefa fa niaritra ny famaizana vokatry ny fandikan-dalana koa Izy, ary ny faratampon’izany dia ny fahafatesany teo ambony hazo fijaliana. Ny Konfesiona Aogostana art.XXIV dia milaza fa ny fijalian’i Kristy dia fanatitra naterina sy fanonerana, tsy noho ny fahotana lovana ihany fa noho ny fahotana hafa rehetra araka izay voasoratra ao amin’ny Hebreo 10:10 manao hoe « Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha ».
Ary dia io asam-pamonjena nataon’i Jesosy Kristy io no antoka ho an’ny olombelona mpanota ny ahazoany mandray ny famelankeloka sy ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. Manamafy izany i Lotera ao amin’ny Fotopianarana lehibe ka manambara fa tonga olombelona Jesosy, notorontoronina sy nateraky ny Fanahy Masina sy ny virjiny. Tsy teraka tamin’ny heloka intsony, fa tonga Mpandresy ny fahotana kosa. Dia nijaly Izy, maty ka nalevina, ka tanteraka izay nataony ho ahy ho fanonerana ny heloko rehetra, tsy tamin’ny volafotsy na volamena, fa tamin’ny rany sarobidy kosa.
Ary dia izany ihany koa no antoka ahafahan’ny mino manana ny fiainana, na amin’ny ankehitriny izany na ny amin’ny ho avy.
(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)