FIAINANA MANDRAKIZAY

NY FAMPIANARAN’I MARTIN LOTERA NY AMIN’NY FIAINANA MANDRAKIZAY

Zava-dehibe loatra amin’ny fampianaran’i Lotera ny amin’ny fiainana mandrakizay. Raha tsy misy hoy izy ny fiainana mandrakizay dia tsy misy antony tokony hitandrematsika ny didy voalohany. Fa inona moa no ilana an’Andriamanitra raha ity fiainana ity ihany, fa na dia ireo tsy miraharaha an’Andriamanitra aza dia mba afaka mifaly amin’ity fiainana ity ihany.

Nefa misy Andriamanitra ka tsy eto amin’ity fiainana ity ihany no hiainatsika fa any Aminy koa dia ny fiainana mandrakizay izany. Lazainy koa fa tsy misy ilana an’i Kristy, na ny Batisa, na ny Filazantsara raha ity fiainana ity ihany no heverina. Fa ny fandaminana ny mahakasika izao fiainana izao dia takatry ny fahaizana sy ny fahalalana nomena ny olombelona ihany. Fa ao amin’ny fanjakan’i Kristy kosa no ampianarany antsika amin’ny alalan’ny Filazantsara ny zavatra ambony izay tsy momba izao fiainana izao ihany sy tsy takatry ny fisainan’olombelona. Koa raha tsy manana finoana ny fiainana mandrakizay izao tontolo izao dia tsy misy ilana an’i Kristy loatra. Fa ny olona izay tsy manana fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy manana antony loatra hilany an’i Kristy, tahaka ny tsy ananan’ny ombivavy na ny biby hafa koa ny antony hilany ny Paradisa.

Ambaran’i Lotera koa fa ity fiainana ity dia tsy hafa fa fiomanana indrindra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Misy fiainana aorian’izao fiainana izao hoy izy ka ity fiainana ity dia tsy hafa fa « precursor » ihany na koa fiatombohan’ny fiainana ho avy.

Ambaran’i Lotera fa tokony hianatra hanandratra ny masontsika, ny fontsika, ny fanahintsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay any andanitra isika ka hiainana amin’ny fanantenana sy hiandry izany ampifaliana. Satria amin’ny maha kristiana antsika, ny zavatra ambony indrindra tratrarintsika dia tsy ny hoe hampaka-bady na havoaka hampakarina, ny hividy na hivarotra, ny hamboly na hanorina, izay ambaran’i Jesosy fa himasoan’ny olona indrindra mialoha ny andro farany. Fa izay tratrarintsika dia ambony sy tsara lavitra noho izany dia ilay lova voatahy any andanitra izay tsy ho rava mandrakizay.

Ambaran’i Lotera fa amin’ny alalan’i Kristy irery ihany no mampisokatra ny lanitra ary ahafahan’ny mino Azy mahazo anjara amin’izany. Hatramin’ny nahatongavan’i Kristy ho nofo, ny nidirany tamin’ny ministerany ary ny nanombohany nitory teny dia misokatra ny lanitra; ary mbola misokatra mandraka ankehitriny. Ary tsy hikatona izany lanitra izany ambaram-pahitan’ny mason’ny nofo rehetra ny famonjen’Andriamanitra.

Talohan’ny nahatongavan’i Kristy hoy Lotera dia nikatona ny lanitra. Nisokatra indray anefa izany amin’ny alalan’i Kristy ka noho izany ny Kristiana dia afaka mahita ny lanitra misokatra ary afaka mandre an’Andriamanitra Rainy miteny aminy. Hatramin’ny nanambaran’Andriamanitra ny teny hoe: « Ity no Zanako malalako Izay sitrako » dia mbola tsy mitsahatra ny miteny amintsika mandraka ankehitriny Izy ary tsy hitsahatra ny hiteny Izy ambarampahatongan’ny andro farany.

Ambaran’i Lotera fa efa nomen’Andriamanitra ny olona hatramin’ny nahariany azy ny fiainana mandrakizay. Tsy nohariana tahaka ny biby isika fa natao niavaka, natao ho afaka hifanerasera amin’Andriamanitra. Ao amin’ny heviteniny mahakasika ny bokin’ny Genesisy dia manambara i Lotera fa Andriamanitra dia nanome antsika ny teniny, ary mandidy antsika hitandrina izany. Maneho izany fa tsy tahaka ny biby izay natao hiainana ity fiainana ity ihany isika fa natao indrindra ho amin’ny fiainana mandrakizay, tahaka an’Andriamanitra izay mandidy antsika hanao izany, izay mandrakizay rahateo koa.

Koa dia asehon’i Lotera mazava fa fanomezana maimaimpoana atolotr’Andriamanitra ny olo-mino ny fiainana mandrakizay. Vokatry ny asam-pamonjena izay nataon’i Jesosy izany ka atolony izay mino Azy. Tahaka ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao ka nanolorany ho azy ny Zanany lahy tokana no anoloran’i Kristy koa ny fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy. Ary tsindrian’i Lotera fa izay rehetra mitady fiainana ivelan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy dia tsy hahazo izany. Raha fintinina amin’ny teny fohy izany dia azo ambara fa izay manana an’i Kristy dia manana ny fiainana mandrakizay. Raha manana an’i Kristy ianao hoy i Lotera dia manana ny fiainana mandrakizay, ary afaka tamin’ny fahafatesana mandrakizay. Ary raha afaka amin’ny fahafatesana mandrakizay isika dia afaka ihany koa amin’ny fahafatesana ankehitriny sy ny trosa sy ny fatopatotra rehetra izay mifandray amin’izany fahafatesana ankehitriny izany.

Tsindriany indrindra izany manoloana ny fiheverana rehetra izay te haneho sy te hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny ezaka na ny asa na ny fahamendrehany. Ny asa tsara dia tsy maintsy hatao hoy izy, tsy maintsy tandremana ihany koa ny didin’Andriamanitra, nefa tsy amin’ny alalan’izany no hahazoantsika famonjena. Ny fiainana mandrakizay dia efa antsika rahateo, fa raha eto amin’ity fiainana ity aho no manao izay azoko atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy hahazo izany na oviana na oviana aho. Andriamanitra tenany no manomboka ny fiainana mandrakizay ho antsika amin’ny alalan’ny fanambarany amintsika ny Teniny sy ny asany. Ary dia Andriamanitra ihany koa no manome fo mahay manaiky sy mino ny Teny, ary dia izany no fanombohana. Ary dia izany teny henoina sy inoana izany no mitarika antsika ho ao amin’i Kristy, Ilay nateraky Maria virjina. Koa dia amin’ny alalan’ny finoana sy fiankinana Aminy no manafaka antsika amin’ny fahafatesana ankehitriny sy ny fahafatesan’ny Fanahy, ary indrindra manome antsika sahady ny fiainana mandrakizay.

Asongadin’i Lotera koa anefa fa tsy zavatra mbola andrasana ihany izany fiainana mandrakizay izany fa efa iainana ankehitriny sahady koa. Manomboka eto, ao ampotsika ny fiainana mandrakizay hoy izy. Rehefa manomboka mino an’i Kristy isika aorian’ny fotoana anaovana Batisa antsika dia amin’ny alalan’ny finoana sy ny tenin’Andriamanitra no manafaka antsika tao amin’ny fahafatesana sy ny ota ary ny devoly. Nefa dia mbola miandry ampanantenana ny fahatanterahan’izany koa isika.

Koa na dia mitoetra hatrany aza ny fahamarinana hoe tsy maintsy ho faty isika dia tsy mampiova na inona na inona izany. Aoka ho faty amin’ny anaran’i Jesosy hoy izy, aza very hevitra na hodorana ianao na hovonoina amin’ny fomba manao ahoana. Fa na inona na inona mitranga dia mbola mitoetra ho anao ny fiainana mandrakizay. Ny hoe ho faty, halevina, hohanin’ny olitra dia tsy misy hampaninona anao izany. Satria azo antoka fa hanangana anao amin’ny maty Kristy araka ny teny fampanantenana izay efa nomeny. Ka dia tsy maintsy mibanjina Azy mandrakariva isika.

Izany indrindra no hamafisiny ao amin’ny toriteniny mahakasika ny amin’ny fiomanana ho amin’ny fahafatesana ka anambarany fa ny olona rehetra dia tsy maintsy handao ity tany ity, noho izany isika dia tsy maintsy hampitodika ny masotsika any amin’Andriamanitra, satria ho any indrindra no itarihan’ny lalan’ny fahafatesana antsika. Eo indrindra no ahitatsika ny fiatombohan’ny vavahady tery sy ny lalana ety mankany amin’ny fiainana. Tahaka ny zazakely izay ateraka omban’ny fahoriana sy ny fanaintainana avy ao amin’ny fitoerana kely tao ankibon-dreniny ho amin’izao lanitra sy tany malalaka izao, dia tahaka izany koa ny olona dia tsy maintsy mandao ity tany ity amin’ny alalan’ny vavahady terin’ny fahafatesana. Satria na dia hitantsika ho malalaka sy midadasika aza ity tontolo iainatsika ankehitriny ity, dia kely tahaka ny kibon-dreny ihany izany raha ampitahaina amin’ilay lanitra ho avy.

Raha miresaka ny amin’ny hiverenan’i Jesosy hanangana ny maty sy hitsara ny olombelona rehetra i Lotera ka miresaka ny amin’ny fianana mandrakizay dia ambarany koa ho setrin’izany ny fanamelohana ho an’ireo tsy mba nandray ny famonjena dia ny fahafatesana sy ny fijaliana mandrakizay. Dia mino izay efa voalazan’i Jesosy i Lotera fa ireo toerana roa ireo ihany no hiavahan’ny olona eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny andron’ny fitsarana.Koa dia ekentsika hoy i Lotera fa amin’ny fiafaran’izao tontolo izao dia hiseho Kristy ka hanangana ny maty rehetra, ary dia hanome ny fiainana mandrakizay sy ny fifaliana mandrakizay ho an’ny marina fa fanamelohana ho amin’ny fijaliana mandrakizay kosa ho an’ny ratsy fanahy.

 

(Nangonin’i Raiamandreny Pastora HERY Andrianotahina Naivoson, PhD student any @ Lutheran School of Theology at Chicago – LSTC, Etazonia)