Salamo 27:1

 » Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko « .

Mila fiarovana aho, satria manana fahavalo maro sy mahery izay mikendry hanisy ratsy ahy, eny, mitady hamono ahy aza. Reko matetika ny fikendreny hamely ahy.

Izaho koa dia osa sy tsy manam-piadiana ka tsy sahy miankina amin’ny herin’ny tenako. Fantatro fa raha miankina amin’ny tenako aho dia ho voa. Nefa ny Tompo no fiarovana ho an’ny aiko. Eny, tena sambatra sy matoky aho. Tsy misy amin’ny zava-boahary na inona na inona voakarakara sy voaro tsara tahaka ny zanak’ Andriamanitra.

Jehovah tenany mihitsy no fiarovako. Tsy maintsy fiarovana manodidina ahy fotsiny Izy, fa dia Izy tenany no fiarovana ho ahy; ka dia tena voninahitra sy toky ho ahy izany. Ka tsy misy loza mihatra amiko raha tsy Izy no iharan’izany aloha. Koa dia miafina ao anatin’ny fiarovana tsy azo simbana aho. Ka iza no hatahorako?

Laisser un commentaire